Porofon’ny Safo-drano.

<< mialoha

manaraka >>

  Andian-dahatsoratra Andriamanitra sy ny Siansa.

Fielezan’ny Sosom-bato.


David Shearer.

Misy sosombato hita manerana ny kaontinanta maro. Ny fanambany tsaoka (solaitra) any Atsimon’i Angletera Atsimo dia hita manerana an’i Irlandy Avaratra, Eoropa, Ejipta, Torkia, ary any Afovoany Andrefan’i Amerika ka hatrany Aostralia Atsimo. Ireo dia mitovy ny fôsily ao aminy, ary ny sosona ambony sy ambany ihany koa dia mitovy.

Porofon’ny fipetrahan’ny fasika, vato amin’ny “ankapobeny”.

Filevenan’ny Fôsily haingana.

Misy porofo ny filevenan’ny fôsily haingana. Ny fôsilin’ny trondro ohatra, dia eo an-dalan’ny fihinanana trondro hafa. Samy miaraka lasa fôsily izy roa tonta. Izany dia tsy maintsy ho nitranga haingana be.

Amin’ny tranga iray hafa, ny reny Ichthyosaur (biby mandady an-dranomasina fahiny, zava_boary mitovy amin’ny porpoise (tahaka ny dôfina)) dia ao amin'ny dingan'ny fahateraham-bao no hilevenany ary ka mahatonga azy ho fôsily. Ny mpanoratra ny gazety "Nature" dia niantso azy hoe "Ny fotoana mampivaingana ny endrika".

Sela Malefaka.

Ny fisian'ny sela malefaka ao amin'ny firaketana fôsily an-tsoratra, toy ny jellyfish, voninkazo, sy ravina dia manondro filevenana tena haingana. Satria ireo dia voafandrika tamin'ny tsipiriany be pitsiny, (tendrils, rafitra petaly sns), tsy maintsy ho haingana izany, fa tsy fipetrahana miadana, raha tsy izany dia ho simba ireo endri-javatra ireo.

Fôsily jellyfish tao Tasmania, dia be pitsiny toy izany, ny mpandinika dia tapa-kevitra fa tsy maintsy ho nitranga izany tanatin’ny iray andro, mba ho voaaro toy izany.

Fandaharana fôsily.

Maro ireo fôsily akorandriaka no "milahatra" amin’ny làlana mitovy ao amin'ny strata. Izany dia midika fa izy ireo dia nalevin’ny fikorianan’ny antsanga goavana sy rano, mikoriana ao amin'ny lalana iray ihany.

Ny tany sy ny zavaboary an-dranomasina.

Ny zava-boary an-tanety matetika dia hita ao amin'ny sosom-bato iray ihany miaraka amin'ny zavaboary an-dranomasina. Ireo zava-boary ireo dia tsy miara-miaina, fa niara-nilevina. Izany dia famantarana hafa ny loza.

Marika Mivalombalona ao amin’ny Sosom-bato.

Misy marika eo amin'ny sosom-bato, izay antsoina hoe "cross beds". Ireo no endrika mivalombalona ao amin’ny sosom-bato, izay vokatry ny rano mikoriana eo an-tampon’antsanga, ka nahatonga azy io hiangona. Avy amin’izany isika dia afaka mamaritra ny fikorianan’ny rano. [Amin'ny fomba fisainana mahazatra, (fipetrahana miadana sy miandalana) ireo dia fikorianana rano nandritra ny 300 tapitrisa taona teo an-tampon'ny antsanga.]

Ireo marika ireo dia tsy azo vokatry ny fipetrahana (deposition) miadana, ary mampiseho ny lozan’ny safo-drano.

Faritra lelan’antsy.

Matetika eo amin'ny sosom-batolampy dia misy sisiny malama "sisin'antsy". Raha efa niforona an-tapitrisany taona izany, dia misy sisiny tsy ara-dalana, noho ny fahasimbàna, sy ny zavatra nipetraka teo amin'ny faritry ny sosona. Tsy izany no mitranga, manondro fa ny sosom-bato dia niforona haingana.

Sosom-bato Mivalombalona.

Indraindray ireo sosom-batolampy dia "miforitra" avy amin’ny tsindry ivelany. Ireo dia malama sy miforitra, ary midika fa tsy maintsy ho nitranga izany raha mbola "nalefaka" ny vatolampy. Matetika izany no mitranga amin’ny sosona maro: izy rehetra mety ho nalefaka, izay midika fa tsy niforona an-tapitrisany taona maro, na ny sosona ho vaky sy niparitaka.

Misy milaza indraindray, fa mety hitranga izany raha toa ny vatolampy ka iharan’ny hafanana sy ny tsindry. Izany anefa dia hanova ny firafitry ny vatolampy, izay mbola tsy nisy.

Polystrate Fôsily.

Ny fôsily Polystrate (Poly = maro, Strata = sosona), dia ireo sisa izay amin'ny sosom-bato maro mba hilevina. Ohatra iray dia ny vatan-kazo eo amin'ny fanambany arintany any Newcastle, Aostralia. Ireo dia miparitaka amin’ny arintany maro, dia sosona volkano, dia arintany indray avy eo. Mitsangana izy ireo, nefa tsy manana sampana na fakany. Izany dia mampiseho filevenana haingana, fa tsy miadana sy mipetraka tsikelikely, araka ny filazàna azy. Hazo mitovy amin’izany no hita taorian'ny fipoahan’ny Mt St Helen, tao Spirit Lake, vodihazo nijoro mitsangana amin'ny sosona lavenom-bolkano maro.

Ao Joggins, Nova Scotia, Canada, dia misy hazo maro, izay miditra amin’ny faritry ny sosom-batolampy 20, miely hatramin’ny 760m haavon'ny sosom-batolampy.(vatolampy stratas). Ny hazo dia ho lo raha nipetraka an-tapitrisany taona maro ny sosom-bato.


  Fanambany arintany.

Fanambany arintany.

Ny arintany dia niforona tamin’ny zavamaniry fahiny. Voalaza fa misy 7 tapitrisa tapitrisa taonina ny arintany izay efa tafapetraka ao amin'ny fanambanin’ny (fandriana) manerana ny tany rehetra. Tafiditra amin'izany ny any amin'ny Tendrontany Atsimo. (Antarktika)

Nisy zavatra hita tao anatin'ny vongana arina. Izany dia manaporofo fa ny arina dia niforona tamin'ny sivilizasiona izay niforonan'izany. Ny arina dia TSY niforona "arivo arivo taona" lasa.

Hita tao anatin'ny vongana arina.

Vakina vazy kely.

Ornate bell.

Hoy ny Baiboly...


Salamo 33:6-8

Ny tenin'i JEHOVAH no nanaovana ny lanitra; ary ny fofonain'ny vavany no nanaovana ny hamaroany rehetra.

Mampiavosa ny rano ao an-dranomasina ho toy ny antontan-javatra Izy; mitahiry ny rano lalina ao an-trano fitehirizana Izy.

Aoka hatahotra an'i JEHOVAH ny tany rehetra; aoka hangovitra eo anatrehany ny mponina rehetra amin'izao tontolo izao.

Ny porofon’ny
tontolon’Andriamanitra,
dia mifandraika
amin’ny voalazan’ny
Tenin’Andriamanitra.

<< mialoha

manaraka >>


Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.


Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.