Andriamanitra voaseho.

<< mialoha

manaraka >>

  Andian-teny velona.

Andriamanitra dia voasarona tao anatin’i Mosesy.


William Branham.

Vakio ny tantara manontolo ao amin'ny...
Andriamanitra voaseho.

2 Korintiana 3:13-16,
13 Ary tsy tahaka an’i Mosesy, izay nanarona ny tavany tamin’ny fisalobonana, mba tsy hibanjinan’ny zanak’Isiraely ny faran’izay nihalevona;
14 Fa efa donto ny sainy; fa ambarak’androany dia mbola tsy nesoriny ihany izany fisalobonana izany, raha vakina ny tenin’ny fanekena taloha, satria ao amin’i Kristy ihany no anesorana izany.
15 Fa misy fisalobonana manarona ny fony am-baraka androany, raha vakina ny tenin’i Mosesy.
16 Kanefa rehefa miverina amin’ny Tompo izy, dia hesorina ihany ny fisalobonana.

----
Mosesy no nanana ny Teny. Ankehitriny tsarovinareo, rehefa vita ny fisehoan’ny Teny, niverina tamin’ny maha-Mosesy azy indray i Mosesy. Hitanareo? Fa raha mbola tao aminy ny Teny, mba hatolotra, dia Andriamanitra izy; eny, tsy Mosesy intsony izy. Izy no nanana ny Tenin’ny Tompo ho an’izany taona izany. Tsy nisy zavatra afaka nikasika azy, mandra-pahatapitr’izany; nanana an’ilay Teny izy niaraka taminy. Ary, noho izany, rehefa tonga izy, dia nanodina ny lohany ireo olona; tsy nahazo an’izany izy ireo. Niova izy ireo. Fa olona hafa io. Tonga niaraka Tamin’ny Teny izy. “Ary nanao fisalobonana izy”, ny Baiboly miteny, “teo amin’ny tavany”, satria nanana ny Teny izy. Ary izy no Teny ho an’ireo.

Ankehitriny jereonareo, raha Mosesy... Ô ry Rahalahy, mety hanidrona izao. Kanefa Mosesy raha... Tahak’izay nolazain’i Paoly eto, ao amin’ny II.Koritiana, toko faha-3. Raha tsy maintsy nanarona ny tavany Mosesy, niaraka tamin’ny Voninahitra toy izany teo aminy; hitanareo, fa satria momba ny amin’ny voninahitra natioraly izany, teo dia momba ny amin’ny lalàna natioraly izany. Ary raha Mosesy, raha nahafantatra fa hihalevona izany lalàna izany, kanefa lehibe loatra ny Voninahitra ka nanajamba ireo olona, noho izany dia tokony nanao fisalobonana ireo tamin’ny tavany, manatombo Izany ankehitriny? Ireo olona jamba ara-panahy! Eny. Nandalo iny Voninahitra iny, fa ity Voninahitra ity dia mitoetra. Hitanareo? Nanana ireo lalàna ara-nofo Mosesy, ny fanamelohana, tsy nisy fahasoavana, na hafa koa; nanameloka anareo izany, dia izay. Nefa Ity, izay lazaintsika... Tsy nisy famelan-keloka na iray aza tao amin’Ilay anankiray, milaza ny zavatra izay nataonareo fotsiny no nataony. Fa Ity iray Ity kosa dia manome anareo ny fomba mba hivoahana amin’izany.

Ary rehefa voaseho io Teny io, ô! La! la! karazana tarehy manao ahoana no asehon’Izany? Tsy maintsy voasarona Izany. Tsy maintsy saromana Izany. Ankehitriny dia marihonareo. Noho izany, ny Fanahy Masina dia voasarona tao anatin’ny tempoly olona, hitanareo, nanao izany Izy mba hanonona ireo teny natioraly amin’ny alalan’ny fisaronana natioraly.

Ankehitriny, Paoly no miteny eto, eo, ary amin’io dikany io, ny Teny- Fanahy: “Mpanompo izahay, tsy amin’ny soratra, amin’ny lalàna, fa efa natao ho mpanompo amin’ny Fanahy”, ny Fanahy, izay mandray ny soratra ary maneho an’izany. Izany, dia lalàna fotsiny, izay tokony hotandremana, izay nilaza hoe: «Aza mijangajanga, aza mangalatra. Aza mandainga. Aza manao ity, na izao na zavatra hafa.» Azonareo? Tsy maintsy notandremana izany.

Fa ity kosa, dia Fanahy, izay tonga amin’ny Teny nampanantenaina ho an’izao taona izao, ary misy vokany sy miseho, tsy vato fisaka roa, fa ny Fanatrehan’Andriamanitra velona. Tsy hoe angano-angano ara-tsaina izay notefen’ny olona iray, na toy ny Houdini iray, na fihetsiketsehana, fa fampanantenan’Andriamanitra mihitsy, voambara ary voaseho eo anatrehintsika. Ao ambadiky ny sarona toy inona àry no hisy azy? Ary ny-ny very an’izany...

Hitanareo, izany dia tena lehibe ka na dia ireo olona aza niteny, nilaza izy ireo, rehefa nahita an’i Jehovah nidina tao anatin’ilay Andry Afo, ary raha nanozongozona ny tany Izy, sy-sy ireo zavatra izay Nataony, sy ny tendrombohitra izay nirehitra afo. Ary na dia, n’iza n’iza olona nanandrana ny nanatona an’io tendrombohitra io dia levona. Tena nahagaga loatra izany ka na dia Mosesy aza dia nangovitra nanoloana ny hozongozona. Koa, raha tsy nanozongozona afa-tsy ny tendrombohitra Izy tamin’izany, amin’izao kosa dia ho hozongozonony ny tany sy ny lanitra.

Ahoana kosa ny amin’izao Voninahitra izao? Raha voasarona tamin’ny alalan’ny fisalobonana natioraly ny tamin’izany, ny amin’izao dia tena... voasarona amin’ny alalan’ny fisalobonana ara-panahy. Koa noho izany, aza mitady ny hijery ny natioraly hianareo; fa midira hianareo ao amin’ny Fanahy, ary jereonareo hoe aiza no misy anareo, jereonareo hoe ora manao ahoana no iainanareo.

Mba misy dikany ve izany, aminareo? Hitanareo, fisalobonana arapanahy no eo amin’ireo olona, ny milaza: “Metodista aho, izaho koa tsara mihoatra ny hafa. Batista aho. Pantekotista aho.” Tsy tsapanareo akory ve fa izany zavatra izany dia saron’ny fombafomba? Manakona an’Andriamanitra eo aminareo izany. Ireo zavatra ireo no manakana anareo ny ankasitraka tanteraka...

Ô, miteny hianareo hoe: “Mikiakiaka no sady mitsambikimbikina aho”. Nilaza Izy hoe: “Teny rehetra!” Tandremo fa Eva dia mba nino ny Teny rehetra, afa-tsy ny iray ihany. Hitanareo? Izany dia Tenin’Andriamanitra rehetra, ny fampanantenana amin’izao ora izao, izay miseho. Hitanareo? Ankehitriny marihonareo, mbola hitohy handroso isika. Manana zavatra betsaka holazaina aho, eto, kanefa, amina-roapolo ny pejy ananako, nefa... ny-ny fanamarihana, kanefa tsy-tsy hanome an’izy rehetra aho. Hitanareo, fa handeha malakilaky aho.

Niafina izy, voasaron’ny fisalobonana natioraly, alohan’ny ahafahana manonona ny Teny amin’ireo olona. Ankehitriny, tsy maintsy voasarona Andriamanitra, toy izay efa nampanantenainy, ao anatin’ny nofon’olombelona. Andriamanitra! Azonareo ve? Andriamanitra dia tsy maintsy voasarona ao anatin’ny nofon’olombelona-ary manisy fisalobonana ara-panahy eo amin’ireo (amin’ny filazany hoe: “Eh tsara, izaho kosa dia izao, ary izaho dia efa toy izao”) -mba hahafahana miteny amin’ireo olona. Raha io fisaronana io, izay saron’ny fombafomba, no rovitra, dia... saingy izao hoy ireo: “Eny eh, ireo andron’ny fahagagana dia efa lasa.”

----
Ankehitriny, ilay fisalobonana natioraly. Andriamanitra, ny Teny, voasarona ao anatin’ny nofon’olombelona. Inona àry izany? Andriamanitra dia voasarona tao anatin’i Mosesy. Andriamanitra dia tao amin’i Mosesy, voasarona, ary ny fanatrehan’Andriamanitra dia tao aminy. Niaraka tamin’io Teny io tao aminy, toy izany, tonga tanteraka loatra izy ka tsy maintsy nisaron-tava. Izy dia mpaminany nohamarinina, izay naneho ny Teny sy nilaza tamin’ireo hoe: “Tsy mahazo manao an’izao hianao! Izao no ataonao! Ary tsy mahazo manao an’izao hianao!” hitanareo?

Mba handefasany ny Teniny ho an’io taranaka io, dia voasarona tao anatin’ny olombelona Izy, raha tsy izany dia nanajamba na dia ireo izay nantsoina hivoaka aza ny Teny. Hitanareo? Na dia ireo olona izay teo aza, dia tsy nahatanty ny nijery an’izany. Ao amin’ny-amin’ny Eksodosy, izay hitantsika, nilaza izy ireo hoe: “Aoka Mosesy no hiteny, fa tsy Andriamanitra.” Hitanareo ny antony tsy nisehoan’ny Andry Afo matetika intsony? Hitanareo?

Nilaza Andriamanitra. «Izany no ha-ha-hataoko. Hanangana Mpaminany ho an’ireo Aho.» Amena! “Hanangana iray ho an’ireo aho.” Ary dia tonga Izy, mifanaraka tsara. “Hanangana Aho, ary Izy dia hanana, ho Teny Izy” Niteny Izy hoe: “Raha te-hahita ny amin’ny Teny izy ireo...” Hoy Izy: “Ankehitriny, ry Mosesy, efa niseho taminao Aho, teo amin’ny roimemy afo.” Hoy Izy: “Hidina Aho hampirehitra an’ity tendrombohitra ity.” Hoy Izy. “Ho hitan’izy ireo fa nilaza ny marina hianao. Hiseho eto Aho amin’ny-amin’ny alalan’io Afo io ihany. Hiseho eto Aho ary hanaporofo amin’ireo olona, hohamariniko eo imasony ny fanompoanao.” Izany no nolazainy tamin’i Mosesy, teo, tamin’ireo teny ireo.

Marihonareo, hoy Izy hoe: “Ankehitriny Homeko-Homeko voninahitra hianao eo imason’ny vahoaka.” Hoy Izy: “Eny, nilaza tamin’ireo hianao fa efa nifanena Tamiko tàny, teo amin’ny roimemy afo, ankehitriny, dia hidina Aho, ilay Afo teo ihany, ary ataoko ho hitan’ireo olona fa tsy nandainga hianao ny amin’izany.” Afaka porofoinareo amin’ny alalan’ny fahalalana Izany, eny, raha tianareo. Hitanareo? “Hidina eo anivo mihitsy Aho ary hampahafantatra azy ireo.”

Ary rehefa nikotroka Izy, rehefa nanomboka nikotroka Jehovah, dia hoy ireo olona: “Tsia! Tsia! Tsia! Aoka tsy hiteny Jehovah; ho-ho faty izahay.” Hitanareo, fa tsy maintsy voasarona Izy, noho izany Andriamanitra dia voasarona tao anatin’i Mosesy, ary Izy no nanome ny Teny an’i Mosesy. Ary raha nidina Mosesy ka nilaza ny Tenin’ny Tompo, dia niaraka tamin’ny fisalobonana teo amin’ny tavany. Tsy marina ve? Jehovah voasarona tamin’ny endrika mpaminany, satria izany dia tena... Ary nilaza Andriamanitra fa tsy hiresaka amin’ireo tahak’izany intsony Izy. Amin’ny alalan’ny mpaminany ihany no hitenenany amin’ireo. Io no fomba tokana izay noraisiny mba hitenenany nanomboka teo. Izany ihany no fomba tokana nalainy mba hitenenany. Marina izany. Tsy misy fomba hafa intsony. Tsy mandainga Izy.

Marihonareo, Mosesy ihany no nanana ny Teny. Fa, izany dia tsy anandian’olona no nidina, izany dia tsy ireo fariseo koa, na ireo sadoseo, na koa tsy ka-karazana fampianaram-piangonana na antokon’olona. Fa Mosesy ihany! Olona iray ihany no Nalainy. Tsy afaka handray fisainana roa na telo samy hafa Izy. Fa olona iray ihany no Nalainy. Mosesy no nanana ny Teny, ary Mosesy irery. Na dia Josoa àry tsy nanana an’Izany. Ireo olona hafa koa dia tsy nahazo Izany. Amena! Josoa dia-dia jeneraly; Josoa no mpitari-tafika; Josoa dia mpino, Kristiana. Fa Mosesy no mpaminany! Tsy afaka ho tonga tamin’i Josoa ny Teny. Fa tsy maintsy Mosesy no nahatongavan’Izany. Izy no mpaminany lehibe tamin’izany ora izany. Marihonareo, mbola tsy tonga tamin’i Josoa mihitsy ny Teny, raha tsy lasa Mosesy. Tsia tompoko. Andriamanitra dia miara-miasa amin’ny olona iray foana. Andriamanitra dia iray. Hitanareo? Noho izany, Mosesy irery ihany no nanana ny Teny, tsy andian’olona.

Jereonareo, nampitandrina ny rehetra Andriamanitra, mba tsy hanandrana ny hanaraka an’i Mosesy ao anatin’ilay fisaronana; ireo mpakatahaka. Hitanareo? Vehivavy, lehilahy, pretra, n’iza n’iza izy, na toy inona fahamasinany, na toy inona ny maha-olona azy, na toy inona ny hajany, na dia toy inona izany; nampitandrina Izy: “Aoka ho tonga irery Mosesy! Ary raha misy olona, na biby koa, mikasika an’io, tonga dia atao maty.” Aza mba miditra mihitsy ao ambadik’io fisaronana io. Io fisaronana io dia an’ny olona iray. Ity hafatra ity dia tokana. Hitanareo? Tao amin’ny tempoly, olona iray ihany no niditra tao, indray mandeha isan-taona, voahosotra ary efa niomana ny hiditra ao; tsy hoe mba hivoaka hiaraka amin’ny Teny fa mba hanatitra ny rà. Na dia ny miditra ao aza, manoloana Izany: iray ihany. Fa ny olona hafa rehetra dia maty. Hitanareo?

Ankehitriny dia maty ara-panahy izy ireo. Ity kosa dia fisalobonana ara-panahy. Hitanareo? Ilay iray dia fisalobonana natioraly. Fa ity kosa dia fisalobonana ara-panahy. Hitanareo? Mitohy miditra ao foana izy ireo amin’ny fahatokiana, n’inona n’inona ambaranao amin’ireo. “Ô, fantatro eh! Mahafantatr’izany aho, kanefa izaho...” Hitanareo, ndeha ihany, fa milamina tsara ny amin’izao, izany dia tsy manao afa-tsy ny maneho... Tsarovinareo, tao Egipta, ny loza farany, dia ny fahafatesana, talohan’ny fanafahana. Ny loza farany, ambonin’ny tany, dia ny fahafatesana ara-panahy, alohan’ny fanafahana. Ary ho lasa lavenona ireo ka hiverina amin’ny vovoka, ary ny marina dia handeha eo ambonin’ireo lavenony. Fa ny zavatra farany, dia ny fahafatesana ara-panahy, ny fandavana ny Teny.

Koa, Marihonareo, Andriamanitra dia nampitandrina ny rehetra, ny tsy hanandrana hanaraka an’I Mosesy ao anatin’ny fisalobonana Afo. Tsy maintsy voasarona Mosesy, tsy maintsy toy izany ny fivoahany avy tao. Mosesy, raha niditra izy, dia Mosesy, izay niditra tao anatin’io Andry Afo io; ary rehefa nivoaka izy, dia voasarona. Azo antoka, fa niditra Tao izy, efa nanaisotra ireo fombafombany, ireo fombafomba maha-loholona. Nahita ny Andry Afo izy, kanefa indro fa miditra ao anatin’ny Andry Afo izy eto. Hitanareo? Amena! Io àry izy fa mivoaka, voasarona. Ny Tenin’Andriamanitra tao anatin’ny olona iray, voafina! Indro fa mivoaka izy, teo ampandehanana, Ö! La la! afaka ny hitako izy. Nampitandrina Izy: aoka tsy hisy olon-kafa hanandrana, tsy misy olona afaka naka tahaka an’Izany. Tsaratsara kokoa ny tsy manao. Hitanareo? Na dia pretra aza, na olona masina, na iza na iza, na kardinaly, na eveka, na olona hafa koa, raha manandrana miditra ao anatin’ilay fisalobonana, dia ho faty izy. Andriamanitra dia nampitandrina ireo: tsy misy fakan-tahaka azo ekena.

Izay ihany no mahazo fanambarana ny amin’ny Teny. Tahak’izany foana, mpaminany iray no tonga miaraka amin’ny Tenin’ny Tompo, isaky ny taona tsirairay, izay foana, ao amin’ny Soratra. Ny Teny dia tonga amin’ny olona iray. Isaky ny taona tsirairay, dia mitovy ihany, na dia tamin’ny taonan’ny fiangonana aza, tamin’ny voalohany hatramin’ny farany. Ny sasany dia nanana ny toerany, marina izany, marihonareo, kanefa aoka hijanona lavitra an’io Andry Afo io hianareo. Hitanareo? Lesona manao ahoana voaraintsika eto! Hitanareo, ny olona rehetra dia te ho Mosesy avokoa, ary ny rehetra...

Tadidionareo ny nolazain’i Datana sy ireo sasany, tamin’izany? Hoy ireo: “Ndao, ry Mosesy, andraso kely aloha, eo! Betsaka loatra ny zavatra zakainao, hitanao. Andao isika, misy olona hafa koa eto izay nantsoin’Andriamanitra.” Marina izany... Izy ireo, ny tsirairay tamin’ireo, mba nanaraka tsara, raha mbola nanaraka izy ireo, nefa raha nanandrana hitsangana ka handray ny toerana izay nomen’Andriamanitra an’i Mosesy ny iray tamin’izy ireo, -izay efa voafidy ary efa voatokana ho amin’io asa io, -niezaka izy ny haka izany, nilatsaka ny afo, nosokafany ny tàny ary niteliny indray mandeha izy ireo. Hitanareo? Hitanareo? Mitandrema hianareo. Hitanareo? Aoka ho kristiana tsara fotsiny hianareo, an’Andriamanitra, manana toe-panahy araka an’Andriamanitra, izay mino ny Teny. Hitanareo? Mijanona lavitra an’io Andry io hianareo. Lesona manao ahoana izany!

Niseho teo amin’ny roimemy afo tamin’i Mosesy aloha Andriamanitra, Andriamanitra dia voasarona tao anatin’ny Andry Afo. Ankehitriny aoka ihaino tsara hianareo, eo, mandritra ny fotoana fohy. Voalohany Andriamanitra, rehefa tonga Tamin’i Mosesy Izy, voasarona Izy. Andriamanitra dia tao anatin’ny Andry Afo, niafina tao amin’ny roimemy, hitanareo; tahaka ny tao ambadik’ireo hoditra, hitanareo, tamin’izany, teo amin’ny fanaterana fanatitra, teo amin’ny alitara. Hitanareo? Voasarona Izy. Voasarona foana Izy. Ary rehefa tonga tamin’i Mosesy Izy, dia tao anatin’ny Andry Afo, voasarona tao anatin’ny Andry Afo. Fa eto, nanoloana ireo olona, Andriamanitra dia nanamarina azy tamin’ny alalan’io Andry Afo io. Hitanareo? Hoy Mosesy...

Ankehitriny jereonareo tsara. Azonareo ve izany? [Namaly ny fiangonana: “Amena”.-Mpandika] Avelanareo ve ny fisainanareo handeha lavitra? Afaka ve hianareo? Afaka... “Aoka izay manan-tsofina hihaino” Hitanareo? Rehefa niseho tamin’i Mosesy Andriamanitra, dia tao anatin’ny Andry Afo izany, raha niantso azy tamin’ny fanompoany Izy. Tonga Mosesy ka nilaza izany tamin’ireo olona. Tsy afaka hino azy izy ireo, kanefa nanao fahagagana sy ny rehetra izy. Nefa, tamin’izany, tena hita maso, ara-pahalalana, fa niseho Izy ary Izy no nanamarina ny asan’i Mosesy, manaporofo fa io Andriamanitra io ihany izay niteny taminy, satria niseho tamin’ny endrika Andry Afo Izy ka nampirehitra ny tendrombohitra. Tonga tamin’i Mosesy Izany tao amin’ny roimemy, ka niresaka taminy. Eny.

Ny voalohany nisehoan’Andriamanitra tamin’i Mosesy, dia tao amin’ny roimemy afo, ilay sarona. Teo anatrehan’ny olona, Andriamanitra dia mbola voasarona ary nanamarina an’i Mosesy Izy, tamin’ny alalan’ilay sarona, nisarona tamin’ilay Afo, ilay Andry Afo ihany no nidina. Ny-ny teo... Izy ireo, mba hahafahan’izy ireo mandre fotsiny ny Tenin’Andriamanitra. Azonareo? Ny Teny fotsiny, naheno ny Feony izy ireo. Azo antoka, Mosesy dia, ho an’ireo, dia Teny velona. Mosesy! Hitanareo, Andriamanitra dia tena nanaporofo an’io Teny io tamin’ny alalan’i Mosesy! Hitanareo, nilaza i Mosesy... Andriamanitra nilaza tamin’I Mosesy hoe: “Mandehana any. Homba anao Aho. Izy dia... Tsy misy hatohitra anao. IZAHO NO ILAY IZY.”

Lasa i Mosesy, ary hoy izy: “Mety tsy hino an’izany hianareo, kanefa Andriamanitra dia niseho tamiko tao anatin’ny Andry Afo, ary nilaza an’ireo zavatra ireo Izy.” “Ô, misy zavatra toy izany betsaka koa mitranga amintsika.” Hoy Farao: “Andraso kely!” Hoy pastora Farao: “Eny eh, manana fihetsiketsehanan’ny mpanao fanova-maso hianao. Aoka kely, izaho koa manana ireo mpanao toy izany eto izay afaka hanova ny menarana ho... ny tehina-ny tehina havadika menarana. Avia eto hianareo, ry mpanao fanova-masoko.” Ary tonga teo izy ireo ary nanao zavatra mitovy.

Vakio ny tantara manontolo ao amin'ny...
Andriamanitra voaseho.


Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.

  Hoy ny Soratra Masina ...

Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina ny amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, dia Ilay naseho teo amin'ny nofo, nohamarinina tao amin'ny Fanahy; hitan'ny anjely, notorina tany amin'ny jentilisa, ninoana teny amin'izao tontolo izao, nakarina tamin*'ny voninahitra. [* Na: ho any amin']

1 Timoty 3:16


Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Ny Asan’Ilay Mpaminany.
(PDF's)

Toko 11
- Ny Rahona

(PDF)
 

William Branham Life
Story.

(PDF Anglisy)

How the Angel came
to me.
(PDF Anglisy)



Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.