Ilay Fahitana tao Patmo.


  Boky misy Fanambarana mifanesy.

Jaona tao Patmos.


William Branham.

Vakio manontolo ao amin'ny...
Ilay Fahitana tao Patmo.

Apokalipsy 1:9,10,
“Izaho Jaona, rahalahinareo sy namanareo amin'ny fahoriana ary amin'ny fanjakana sy ny faharetana ao amin'i Jesosy Kristy, dia tao amin'ny nosy atao hoe Patmo noho ny tenin'Andriamanitra sy ny filazàna an'i Jesosy Kristy. Voatsindrin'ny Fanahy tamin'ny Andron'ny Tompo aho ka nahare feo mahery teo ivohoko, toy ny feon'ny trompetra.”

Ireo fahitàna misesisesy ao amin'ny Apokalypsy io, momban’ny Tenan’i Jesosy Kristy dia nomena an'i Jaona rehefa natao sesitany tany amin'ny Nosy Patmo izy. Io nosy kely io dia telo-polo kilaometatra miala ny morontsirak'i Azia Minora any amin'ny Ranomasina Égée. Be vato sady feno bibilava, androngo sy maingoka, izy dia nanan- danja ihany ara-barotra, noho izany dia nampiasain'ny Fanjakàna Romana ho toby fanasaziana izay nampiantranona ny tena mpanao heloka bevava, gadra politika, sns...

Ho tsikaritrareo fa i Jaona dia miresaka ny tenany tamin’ireo Kristianina toy ny rahalahy ao amin'ny fahoriana. Tamin'izany fotoana izany ny fiangonana voalohany no nandeha tamin'ny fanenjehana lehibe. Ny fivavahan’izy ireo dia tsy vitan'ny hoe "efa ratsy laza teny rehetra teny" fa ny olona mihintsy no naiditra am-ponja sy novonoina. Jaona, toy ny maro hafa, dia nijaly tao am-ponja noho ny Tenin'Andriamanitra sy ny filazàna momba an'i Jesôsy Kristy. Rehefa nosamborina izy, dia niezaka ny namono azy izy ireo kanefa tsy nahaomby tamin’ny nandatsahany azy TAO ANATY MENAKA MANGOTRAKA EFA HO EFATRA AMBY ROAPOLO ORA. Ilay manam-pahefàna romotra tsy nanan-kery dia nanasazy azy ho any Patmo tahaka ny mpamosavy. Nefa Andriamanitra nomba azy, ka namela azy handao ny nosy, ary niverina tany Efesôsy indray izy ary nanohy ny maha- mpiandry ondry azy mandra-pahatongan'ny fotoana nahafatesany.

Ny Voninahitra fito Sosona Momba azy.

Apokalypsy 1:14-16,
"Ary ny lohany sy ny volony dia fotsy tahaka ny volon'ondry, fotsy tahaka ny orampanala, ary ny masony tahaka ny lelafo. Ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano, tahaka ny mirehitra eo amin'ny fandrendrehana; ary ny feony toy ny firohondrohon'ny rano be. Ary eny amin'ny Tànany ankavanana misy kintana fito: ary mivoaka avy ao amin'ny vavany dia sabatra maranitra roa lela; ary ny tarehiny dia tahaka ny masoandro mamirapiratra amin'ny heriny."

Tena lalina sy mampihetsika ny aingam-panahy ny fisehoan'i Jesosy tamin'i Jaona, izay natao sesitany noho ny amin’ny Teny, ary, indro, ilay TENY Velona ankehitriny dia mitsangana eo anatrehany. Tena fahitàna mamirapiratra izany, fa ny famaritana rehetra dia misy dikany. Tena fanambarana ny voninahitry ny maha Izy azy.

1.Ny Volon-dohany Fotsy tahaka ny Orampanala.

Jaona tamin’ny voalohany nanamarika ny fahafotsian’ny Volony. Fotsy ilay izy, ary mazava tahaka ny oram-panala. Io dia tsy nohon’ny Taonany. Tsia. Ny famirapiratan’ny fahafotsian’ny volony dia tsy milaza ny taonany fa ny traikefa, fahamatorana, ary fahendrena. Ilay Iray Mandrakizay dia tsy mety antitra. Inona ny fotoana eo anatrehan’Andriamanitra? Ny fotoana dia kely ny dikany eo amin’Andriamanitra, fa ny fahendrena no manan-danja. Izany dia tahaka an’i Solomona niantso an'Andriamanitra nangataka fahendrena hitsarana ny vahoakan・Isiraely. Ankehitriny dia tonga Izy, ny Mpitsara ny tany rehetra. Izy dia omena ny satroboninahitry ny fahendrena. Izany no dikan’ny volo fotsy nanjelanjelatra.

Daniela nahita azy tonga avy eo amin'ny rahona. Izany indrindra no hitan'i Jaona. Izy roa tonta samy nahita Azy mitovy tanteraka. Hitan’izy ireo ny Mpitsara miaraka amin'ny fehin-kibo fitsarana natao teny antsorony, mitsangana madio sy masina, feno fahendrena, tanteraka mahafeno fepetra mba hitsara izao tontolo izao amin'ny fahamarinana. Haleloia.

2. Ny masony tahaka ny Afo.

Eritrereto izany. Ireo maso izay indray mandeha nanjavozavo -dranomaso tamin’nny alahelo sy ny fahoriana. Ireo maso izay nitomany tamin'ny fangoraham-po teo amin'ny fasan'i Lazarosy. Ireo maso izay tsy nahita ny ratsy teo amin’ireo mpamono olona izay nanantona Azy teo amin'ny hazo fijaliana, fa tamin'ny alahelo niantso hoe: "Raiko mamel・ny helony." Ary ireo masony dia lelafo ankehitriny, ilay mason'ny Mpitsara Izay hamaly ireo izay nand・Azy. Amin’ny fihetseham-po maha olona, ny tena Nanehoany fony Izy nipoitra ho toy ny Zanak'Olona dia ity iray ity, nitomany matetika Izy. Kanefa ao ambadik’izany fitomaniana sy ny alahelo izany dia mbola misy Andriamanitra. Ireo maso ireo ihany no nahita fahitàna. Mijery lalina ao am-pon'ny olona, ary mamaky ny tena eritrerin’izy ireo sy mahafantatra ny fomban’izy ireo rehetra isan-karazany. Nidedadeda avy ao amin地y mason’ny olona mety maty Andriamanitra, Ilay nitaraina tamin'ireo izay tsy nahalala Azy ny amin’ny maha Izy azy, "...Raha tsy mino ianareo fa Izaho no Izy, dia ho faty amin'ny fahotanareo." Jaona 8:24. "Raha tsy manao ny asan'ny Raiko Aho, dia aza mino Ahy. Fa raha manao Aho (ny asan'ny Raiko Aho), na dia tsy mino Ahy aza ianareo, dia minoa ny asa..." Jaona 10:37,38. Tahaka an'i Jeremia fahiny, Izy dia ilay mpaminany nitomany, satria ny olona tsy nandray ny Tenin'Andriamanitra ka nanilika ny fanambaràna.

Ireo maso afo midedadedan’ilay Mpitsara dia mandrakitra ny fiainan’ny nofo rehetra amin’izao. Mandeha manerana ny tany, tsy misy zavatra izay tsy Fantany. Fantany ny faniriana ao am-po sy ny zavatra tian'ny tsirairay hatao. Tsy misy na inona miafina izay tsy haseho, satria ny zavatra rehetra dia miharihary eo Anatrehan’Ilay resahintsika. Eritrereto ny momba izany, Fantany eny fa na dia izay eritreretinao izao aza.

Eny, mijoro tahaka ny Mpitsara Izy miaraka amin'ny maso midedadeda mba handrefy ny fitsarana. Tapitra ny andron’ny famindram-po. Enga anie, ny olona ka hibebaka sy hitady ny Tarehiny amin'ny fahamarinana raha mbola misy koa ny fotoana. Mba hanaovan’izy ireo ondana ny Tratrany alohan’ny hiempon’izao tontolo izao ao amin'ny afo.

3. Ilay tongotra ny varahina.

"Ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano, hoatra ilay voadio teo amin'ny fandrendrehana iny." Ny varahina dia fantatra amin’ny hamafiny. Tsy misy na inona na inona fantatra afaka apetraka miaraka aminy hanamafisana azy. Fa io varahina izay mamaritra ny tongony io dia tena mbola miavaka teo amin’ny nijoroany tamin’ny fitsapàna ny lafaoro mirehitra, izay fitsapana tsy nandalovan’olon-kafa. Ary izany no tena marina. Fa ny varahina dia midika Fitsaràna avy amin’Andriamanitra: fitsarana izay didy navoakan’Andriamanitra ary tanterahiny. Nomery 21:8-9, "Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Manaova ianao menarana afo, ka ahanty amin'ny hazo lava, ary izao no zavatra hitranga, izay rehetra voakaikitra, raha mijery izany dia ho velona. Ary Mosesy dia nanao menarana varahina, ka nataony teo amin'ny tsato-kazo, ary izao ny zava-nitranga, rehefa voakakitry ny menarana ny olona, ka nijery ilay menarana varahina, dia velona." Isiraely efa nanota. Ny fahotàna tsy maintsy ho hotsaraina. Noho izany Andriamanitra dia nandidy an'i Mosesy mba hametraka ny menarana varahina teo amin'ny hazo lava, ary izay nijery dia voavonjy tamin’ny sazin'ny ny fahotàny.

Fa indray andro any ireo tongotra varahina ireo, dia hitsangana eto an-tany. Ary ho Mpitsara ny tany rehetra Izy, ary izany dia amin'ny fahitsiana sy fahalavorariana no Hitsarany ny zanak’olombelona. Ary tsy hisy afaka handositra izany fitsarana izany. Tsy misy fihodinana amin'izany fitsarana izany. Tsy hisy fitezerana amin’izany. Izay tsy marina ho tsy marina ihany; izay maloto dia ho mbola hihaloto ihany. Ilay Iray Tsy Miova dia tsy hiova, satria Izy tsy mbola nanao izany ary tsy hanao izany mihitsy. Ireo tongotra varahina, dia hanorotoro ny fahavalo. Izy ireo no handringana ny antikristy, ny bibidia sy ny sariny sy izay rehetra ratsy eo Imasony. Izy no handrava ny rafitry ny fiangonana izay naka ny Anarany, hanimba ny famirapiratany ary hanorotoro azy ireo miaraka amin'ny antikristy. Ny ratsy fanahy rehetra, ny tsy mino an'Andriamanitra, ny tsy mahalala sady tsy mety mino, ny maodernista, ny liberaly, dia ho ao avokoa. Ny fahafatesana, helo, ary ny fasana no ao. Eny ho ao izy ireo. Fa rehefa tonga Izy, ny boky dia hosokafana. Izany dia rehefa hipoitra ny fiangonana matimaty sy ny virjiny dimy adala. Hanasaraka ny ondry amin'ny osy Izy. Rehefa tonga Izy dia handray ny fanjakana satria Azy izany, ary miaraka Aminy ny anarivony ampitomboina anarivony, ny Ampakarina, izay tonga hanompo Azy. Voninahitra! Oh, izany dia ankehitriny na tsy misy intsony. Mibebaha dieny mbola tsy tara loatra. Mifohaza amin'ny maty ary mitadiava an'Andriamanitra mba ho feno ny Fanahiny fandrao tsy ho azonao ny fiainana mandrakizay. Ataovy izany izao ankehitriny izao raha mbola misy ny fotoana.

4. Ny Feony Tahaka ny Firohondrohon'ny Rano Be.

Ary inona io rano io? Mihainoa izany ao amin'ny Apokalypsy 17:15, "...ny rano efa hitanao,... dia olona, vahoaka betsaka sy firenena maro ary samy hafa fiteny." Ny Feony dia tahaka ny feon’ny vahoaka marobe. Inona izany? Izany dia ny fitsarana. Fa izany no feon’ny vavolombelona marobe, izay tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina nandritra ny vanim-potoana nifandimby, nijoro ho vavolombelon'i Kristy sy nitory ny Filazantsarany. Izany dia ny feon'ny olona tsirairay mitsangana amin'ny fitsarana manohitra ireo mpanota tsy manaiky ny fampitandremana. Ny feon'ny anjely fito dia ho re mafy sy mazava. Ireo mpitory mahatoky, izay nitory ny herin’i mahavonjin’i Jesôsy, izay nitory batisan’ny rano amin'ny Anaran'i Jesôsy, izay nitory ny in- famenoana ny herin'ny Fanahy Masina, ireo izay nitsangana nohon’ny Teny mihoatra nohon’ny nijoroany tamin’ny fiainany; izy rehetra ireo dia ny feon'ny Kristy Jesôsy tamin’ny Fanahy Masina nandritra ny vanim-potoana nifandimby. Jaona 17:20, "Tsy mivavaka ho an'ireto ihany Aho, fa ho an’ireo izay mino Ahy koa nohon・ny tenin’izy ireo."

Oh, tsy misy na inona na inona tahaka izany. Mivavaka aho mba handre ny Feony ianareo, ka tsy hanamafy ny fonareo, fa handray Azy ho toy ny Mpanjakanareo. Oh, raha mety hahita izany ianao. Izany dia ny rano izay nandrava an'izao tontolo izao, nefa io rano io ihany ny rano izay namonjy an'i Noa, ary koa namonjy ny tany manontolo ho an'ny Noa. Henoy ny feony, ny feon'ny Mpanompony, miantso ho amin’ny fibebahana sy fiainana.

5. Eny An-Tànany Ankavanana Misy Kintana Fito.

"Ary nanana kintana fito Izy teny an-tànany ankavanana." Ary mazava ho azy fa efa fantatsika ao amin'ny andininy faha- roapolo ny dikan’ireo kintana fito ireo. "Ary ny zava-miafina ny amin'ny kintana fito dia ny anjelin'ny (iraka) fiangonana fito." Ankehitriny dia tsy afaka manao fahadisoana isika eto na amin’ny inona na inona, araka izay Handikany izany ho antsika. Ireo kintana fito dia ny iraka ho amin'ny vanim-potoanan’ny fiangonana fito nifanesy. Izy ireo tsy mba nisy anarana niantsoina azy. Nivoaka ho fito ihany izy ireo, anankiray isaky ny vanim-potoana. Nanomboka tamin’ny vanim-potoana Efesôsy mitohy mankany amin'ity vanim-potoana Laodikia ity, ny iraka tsirairay dia nitondra ny hafatry ny fahamarinana ho amin'ny olona, tsy diso na oviana na oviana tamin’ny fitandremana ny Tenin'Andriamanitra tamin’izany vanim-potoanan’ny fiangonana miavaka izany. Ny tsirairay dia nihazona izany. Mafy orina izy ireo tamin’ny tsy fivadihany tamin’ny fahazavana tany am-boalohany. Raha ny vanim-potoana tsirairay dia nihataka tamin'Andriamanitra, ny Mpitondra Hafatrany mahatoky kosa dia namerina izany vanim-potoana izany ho amin’ny Teny. Ny herin’izy ireo dia avy amin'ny Tompo, raha tsy izany izy ireo dia tsy afaka namefy izany. Tsy manan-tahotra izy ireo eo Aminy, fa na inona na inona tsy afaka handrombaka azy ireo eny an-Tànany, na hampisaraka azy ireo amin’ny fitiavana an’Andriamanitra, na aretina, loza, fitanjahana, mosary, ny sabatra, fiainana na fahafatesana. Izy ireo dia tena nanolo-tena ho Azy ary niaro ny maha-Mahefa ny zavatra rehetra Azy. Tsy niahiahy momba ny fanenjehana izay tonga tamin’ny lalany izy ireo. Ny fijaliana sy ny esoeso dia, fa mahatonga fanomezana voninahitra an'Andriamanitra, ka natao mendrika ny hijaly ho Azy izy ireo. Ary amin'ny fankasitrahana noho ny Famonjeny dia mirehitra amin'ny hazavàna teo amin'ny Fiainany izy ireo, ary taratry ny Fitiavany, Faharetany, Fahalemem-panahiny, Fahononam-pony, Fifehezan-tenany, ary ny Fahatokiany. Ary Andriamanitra nanohana azy ireo tamin’ny zava-mahatalanjona, famantarana ary fahagagana. Nolazaina fa mafana fo tafahoatra izy ireo, na mpitabataba. Ny fikambanana dia niapanga azy ireo ary naneso, fa izy ireo kosa nihazona tamim-pahamarinana ny Tenin'Andriamanitra.

Ary izany fampiononana izany dia tsy ho an'ny iraka amin’ny vanim-potoan'ny fiangonana fito ihany. Ny mpino marina rehetra dia eo an-tànan'Andriamanitra ary afaka misintona avy amin’ny Fitiavany sy ny Heriny, ary mandray ny tombotsoa fenon’Andriamanitra ho an’ny mpino. Izay nomen’Andriamanitra ny iraka, ary ny fomba Hitahiany sy Ampiasàny ny mpitondra hafatra, dia ohatra iray ho an’ny mpino rehetra ny amin’ny Fahatsarany sy ny fikarakarany ny mpikambana REHETRA ao amin’ny Tenany. Amena.

6. Ny Sabatra Roa Lela.

"Ary sabatra roa lela maranitra no nivoaka avy ao amin'ny Vavany." Ao amin'ny Hebreo 4:12, "Fa ny Tenin'ny Andriamanitra dia velona sy mahery ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy, ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo." Avy ao amin'ny Vavany no nivoaka ilay sabatra roa lela izay ny TENIN'ANDRIAMANITRA.

Ary Paoly nilaza fa ny Teny dia tonga tamin’ny hery ary koa ny feo. Ny Teny izay notoriana dia nampiseho ny tenany. Toy ny lelafo, sabatra manapaka mankao amin'ny feon'ny fieritreretan'ny olona, ary tahaka ny antsin’ny mpandidy, izany dia manapaka ny aretina sy manafaka ny babo. Na taiza na taiza nalehan’ireo mpino tany am-boalohany, "nandeha nitory ny Filazantsara izy ireo (Teny) ary Andriamanitra dia nanamafy izany Teny izany tamin'ny famantarana izay manaraka." Ny marary sitrana, ny demonia noroahina, ary izy ireo niteny tamin'ny fiteny vaovao. Izany no Teny am-perin’asa. Io Teny io dia tsy mbola diso tao am-bavan'ny Kristianina mino. Ary amin'ity vanim-potoana farany ity dia miha-mahery sy miha-lehibe izany nohon’ny hatramin'izay, ao amin'ny tena Teny ampakarina. Oh, ry ondry vitsy, ry vitsy an'isa, hazony hatrany ny Teny, fenoy izany ny vavanao sy ny fonao, ary indray andro any homen’Andriamanitra anao ny fanjakana.

7. Ny Tarehiny Tahaka ny Masoandro.

Ao amin'ny Apokalypsy 21:23, "Ary ny tanàna tsy mba mila ny masoandro na ny volana hamirapiratra ao aminy; fa ny voninahitr'Andriamanitra no nanazava azy, ary ny Zanak'ondry no hazavàna ao." Izany no Jerosalema Vaovao. Ny Zanak'ondry ho ao amin'izany tanàna izany, nohon’ny amin’ny Fanatrehany, dia tsy misy ilàna hazavàna intsony. Ny masoandro tsy mba hiposaka sy hamirapiratra any, fa Izy no Masoandro sy Hazavàna ao, Izy Tenany. Ary ny firenena izay miditra ao dia handeha amin'ny Fahazavàny. tsy faly ve ianareo fa izany andro izany dia eo amintsika? Jaona dia nahita izany andro izany ho avy. Eny, Jesôsy Tompo, tongava faingana!

Malakia 4:1-3 [KJV], "Fa indro, avy ny andro izay handoro toy ny lafaoro; ary ny mpirehareha rehetra, eny sy izay rehetra manao ratsy dia ho vodivary; ary ny andro izay ho avy no handoro azy ireo, hoy Jehovah Tompon'ny Maro, ka tsy hasiany miangana, na ny fakany na ny sampany. Fa ianareo izay matahotra ny Anarako dia ny Masoandron’ny Fahamarinana hitsangana miaraka amin'ny fanasitranana ao amin'ny Elany; ka dia hivoaka ianareo ary mitombo toy ny ombivavy kely ao amin'ny fihinanam-bilona. Ary ianareo hanitsakitsaka ny ratsy fanahy; fa izy ho lavenona eo ambanin’ny faladianareo amin'ny andro izay hanaovako izany hoy Jehovah Tompon'ny Maro." Mbola ao indray ilay izy. Ny MASOANDRO mamirapiratra amin'ny heriny rehetra. Oh, ny herin'ny ny Zanak'Andriamanitra mamirapiratra eo afovoan'ny fanaovan-jiro volamena fito.

Eo Izy no mitsangana, Ilay Mpitsara, ilay Iray izay nijaly sy maty ho antsika. Nentiny teo Aminy ny fahatezeran'ny fitsaran’Andriamanitra. Nanosihosy ny famiazam-boaloboka ny firehetan'ny fahatezeran'Andriamanitra irery Izy. Araka ny efa voalazantsika, ho an’ny mpanota ny Feony dia toy ny feon'ny riandrano mianjera na ny fivelin'ny onjan'ny fahafatesana teo amin'ny morontsiraka feno vato. Fa ho an’ny olo-masina, ny Feony dia tahaka ny feon'ny lohasahan-driaka mihira mahafinaritra rehefa mandry miala-sasatra iny ianao, afa-po ao amin'i Kristy. Mamirapiratra eo amintsika miaraka amin'ny taratry ny hafanan’ny fitiavany, Hoy izy: "Aza matahotra, Izaho no Ilay Nisy, Ilay Misy, Ilay Ho Avy, Izaho no Tsitoha. Ankoatra Ahy dia tsy misy hafa. Izaho no Alfa sy Omega, IZANY REHETRA IZANY." Izy no Lisy eny an-Dohasaha, ny Kintana Mamirapiratra Fitarika Andro. Izy ilay tsara indrindra amin'ny alinalina ho an’ny fanahiko. Eny, izany andro lehibe izany dia vonona ny hiposaka, ary ny Masoandron’ny Fahamarinana hitsangana miaraka amin'ny fanasitranana ao amin'ny Elany.

Vakio manontolo ao amin'ny... Ilay Fahitana tao Patmo.


Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.



Ny Bokin’ny Fanambarana
Mitohy tamin'ny pejy manaraka.
(Ny Hazon'Aina.
Ny Fahotàna Tany amboalohany.)


Mijoro tahaka
ny mpitsara Izy
miaraka amin'ny
maso midedadeda
mba handrefy
ny fitsarana.


  Hoy ny Soratra Masina...

Ary raha nahita Azy aho, dia lavo niankohoka tahaka ny maty teo anoloan'ny tongony. Fa Izy nanendry ahy tamin'ny tànany ankavanana ka nanao hoe: Aza matahotra; Izaho no Voalohany sy Farany,

dia Ilay velona; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin'ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita.

Apokalipsy 1:17-18.


Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Izy no Ny Izaho no.

 
 

Kristy. Ao amin'ny
fanaovan-jiro lovia
volamena.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.
(PDF's)

The Two Babylons

by Rev Alexander Hislop.
(PDF Anglisy)

A lafiny tendrombohitra, ary nitsangana voaroy amin'ny oram-panala amin'ny Shina.

Lisy ny afo.

Ny Andry Afo - Houston 1950.

Mazava tamin'ny vatolampy pyramida.


Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.