Andriamanitra, voasarona tao amin’i Jesosy.

<< mialoha

manaraka >>

  Ny Misiterin'i Kristy.

Andriamanitra voaseho.


William Branham.

Vakio ny tantara manontolo ao amin'ny...
Andriamanitra voaseho.

Ny loha-hevitro, izao maraina izao, dia ny hanambara, na ny haneho an’io Andriamanitra io. Hatramin’izay Andriamanitra dia, isaky ny taona nifandimby, niafina foana tao ambadiky ny fisaronana, tamin’ireo taona rehetra, nefa na izany aza dia Andriamanitra ihany Izy. Hitanareo? Nefa nitoetra niafina tamin’izao tontolo izao Izy, fa niseho kosa tamin’ireo olom-boafidiny, ohatra ireo Apostoly, tamin’io fotoana io. Nefa, Andriamanitra no niteny, tao amin’i Kristy.

Indray mandeha, naniry ny hahita an’Andriamanitra i Mosesy, ary Andriamanitra niteny taminy mba ho eo amin’ny vatolampy. Ary, teo amin’ny vatolampy, nitsangana teo Mosesy ary nahita an’Andriamanitra nandalo izy, ary ny Lamosiny dia tahaka ny lamosin’olona. Andriamanitra dia tao anatin’ny tadio, ary Andriamanitra... Nandritra ny nitsanganan’i Mosesy teo amin’ny vatolampy. Mino aho fa nahita ny sary hianareo rehetra tamin’iny indray andro iny, nitsangana nanakaiky an’io vatolampy io izahay. Ary nisy Fahazavana, teo, ny Anjelin’ny Tompo, tamin’ilay toerana izay nanenoan’ilay Feo. Teo... Io ilay Izy, eo amin’ilay solaitra-be fanaovana filazana, amin’izao fotoana izao.

Marihonareo, Jehovah tao amin’ny Testamenta Taloha dia Jesosy ao amin’ny Testamenta Vaovao. Hitanareo? Izy ihany Ilay Andriamanitra, izay miova endrika fotsiny.

----
Namadika ny fisehoany Andriamanitra; miova endrika Izy. Raha mahatsikaritra hianareo, ato amin’ny Filipiana, nilaza Izy: “Tsy nataony ho zavatra nofikiriny mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra, fa nofoanany ny Tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo.” Nefa, ny teny Grika, eo, momba ny endrika, nandany andro iray mihitsy aho omaly mba hijery an’izany, mba hahafantatra ny tena dikany, nahita aho, ary ny farany dia tonga tamin’ny teny hoe “fiovam-batana” aho. Izany dia tononina hoe f-i-o-v-a-m-b-a-t-a-n-a. Nitady tamin’ny teny grika aho, mba hahitako hoe inona no mifanaraka tsara amin’ny hoe fiovam-batana... Mety tsy voatoniko amin’ny maha izy azy izany, ka noho izany no nanononako tsirairay ny teny, mba, rehefa mivoaka ny horonam-peo, dia ho fantatr’ireo olona, ireo mpandinika mba hahafantatra ny ti-tiako ambara. Izy, raha ny “fiovam-batana”, izany dia midika fa Izy tenany ihany no niova. Izy-Izy dia nidina. Nefa, ny teny grika, eo, midika fa: “Zavatra iray izay tsy afaka ny ho hita, kanefa eo ihany, ary avy eo dia miova izany zavatra izany, ary afaka ny hahita azy ny maso.” Hitanareo?

----
Tahak’izany ny amin’Andriamanitra. Nanova ny Tenany Izy, avy tatamin’ny Andry Afo, mba ho tonga Olona iray. Manaraka, avy teo dia niova endrika indray Izy, niverina ho Fanahy indray Izy, mba hahafahany monina ao anatin’ny olona. Andriamanitra, miasa ao anatin’ny olona, maneho ny tena maha-Izy Azy. Jesosy Kristy, dia Andriamanitra niasa tao anatin’ny Olona, tao anatin’ny Olona iray. Tao anatin’ny Olona iray, izany no maha Izy Azy. Avy tao amin’ny Andry Afo, dia niova endrika Izy, ary dia niditra tao Izy; ary izany, dia fisaronana iray tany an’efitra, izay nahatonga an’Andramanitra ho takona tamin’ny Isiraely. Mosesy dia nahita ny endriky ny Vatany, kanefa raha ny tena marina, niafina foana tao ambadik’io Andry Afo io Izy, izay Fiandohana [Logos-Mpandika] nivoaka avy tamin’Andrimanitra.

Ankehitriny dia hitantsika eto fa nanomboka tamin’ny Pentekosta, ankehitriny, Andriamanitra dia tsy miasa ao amin’ny olona intsony, na miasa... ankehitriny dia miasa amin’ny alalan’ny olona Izy. Hitanareo? Taloha niasa tao anatin’ny Olona iray Izy, Jesosy. Ankehitriny dia miasa amin’ny alalan’ireo olona izay nofidiany ho amin’izany tanjona izany Izy. Andriamanitra tahaka ny endriky ny olona; nanova ny Tenany Izy, avy tamin’ny endriky ny-ny... Andriamanitra, ho amin’ny endrik’olona.

----
Ankehitriny marihonareo, eo, fony tonga Izy, dia tsy maintsy tonga tamin’ny maha-Zanak’olona, satria ny Soratra Masina dia milaza fa hanao an’izany Izy, fa “Andriamanitra dia hanangana Mpaminany ho an’ireo”. Noho izany, tsy afaka ny ho tonga Izy ka hilaza hoe Zanak’Andriamanitra, satria tsy vanim-potoana ho amin’izany no nisy teo. Zanak’olona Izy tamin’izany, izay naminany, mba hanatanteraka, ary nanambara tamin’ireo ny zavatra rehetra izay efa tanteraka sy naneho tamin’ny endrika ny maha-Izy Azy. Tamin’izany fotoana izany, teto an-tàny Izy amin’ny maha-Zanak’olona Azy.

----
Andriamanitra, dia nirotsaka tao anatin’ny olona. Ao amin’ny Joela 2.28; hitantsika fa nilaza Izy hoe: «Handatsaka ny Fanahiko Aho, amin’ny andro farany». Ankehitriny, raha voamarikareo ny teny, eo, ny teny grika. Mety ho diso aho, kanefa izay hitako dia... Tokony hitandrina tsara amin’ireo teny. Amin’ny Anglisy, matetika, misy dikany roa. Ohatra, ny teny izay lazaintsika: “andriamanitra”. Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany, Genesisy 1. Kanefa, eny, ao amin’ny Baiboly, dia voalaza: “Tamin’ny voalohany, Elohim.” Nefa, Elohim, amin’ny teny anglisy, dia atao hoe “god” [amin’ny teny frantsay, dieu-Mpandika], nefa raha ny tena marina, Elohim, dia tsy izany akory. N’inona n’inona dia mety atao ho andriamanitra, raha raisina ny teny hoe andriamanitra; azo antsoina hoe andriamanitra ny sampy; azo antsoina hoe andriamanitra io zava-maneno io; azo atao hoe andriamanitra n’inona n’inona.

Kanefa tsy mety atao izany rehefa mikasika ny teny hoe Elohim. Izany dia midika: “Ilay miforona amin’ny alalan’ny tenany ihany” Hitanareo? Io zava-maneno io dia tsy afaka hiforona amin’ny alalan’ny tenany ihany, ary ny zavatra hafa rehetra dia tsy afaky ny hisy amin’ny alalan’ny tenany ihany. Noho izany, ny teny Elohim dia midika: “Ilay efa nisy foana hatr’izay”. Andriamanitra, izany dia mety hilazana n’inona n’inona. Hitanareo ny maha-hafa an’io teny io?

Nefa, raha milaza, eto, fa nirotsaka Izy, na niparitaka, ankehitriny, isika, mety ho tonga ao amin’izao fisainana izao, fa hoe “nandoa” Izy, - Ny teny anglisy emptied [amin’ny teny frantsay, déversé-Mpandika, amin’ny teny Malagasy -mirotsaka-Mpandika], -na hoe naparitany ny zavatra izay avy tao Aminy, hitanareo, ny hoe zavatra hafa izay tsy mitovy Aminy no nivoaka avy tao Aminy. Kanefa ny teny kenos, amin’ny grika, tsy azo lazaina fa “nandoa” Izy, na zavatra... Niala ny tànany, na niala ny masony, lasa olona hafa.

Izany hoe nanova ny Tenany Izy, Izy no “Niparitaka tao amin’ny” (Amena!), ao anatin’ny saron-tava hafa, ao anatin’ny endrika hafa. Tsy hoe olona hafa, antsoina hoe Fanahy Masina, no nivoaka avy tao Aminy, fa Izy Tenany mihitsy. Azonareo ve? Izy Tenany mihitsy no niparitaka tao anatin’ny olona. “Kristy ao anatinareo!” Tena tsara be izany, sady mahafinaritra, ny mieritreritra fa Andriamanitra Izy Tenany no niparitaka ao anatin’ny olona, ao anatin’ny mpino. “Miparitaka!” Izany dia mbola an’isan’ny fampisehoana nataony, ny fanaovana an’izany. Andriamanitra, ny fahafenoana rehetra, ny maha-Andriamanitra an’Andriamanitra ara-batana rehetra dia nipetraka tao anatin’io Olona io, Jesosy Kristy. Andriamanitra Izy, Andriamanitra tokana. Tsy olona fahatelo iray, na olona faharoa iray, na olona voalohany iray, fa ilay Olona, Andriamanitra voasarona tao anatin’ny nofon’ny olombelona iray.

I Timoty 3.16: “Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina ny amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, dia ilay, A - n - d - r - i - a - m - a - n - i - t - r - a, Elohim” , A - sora-baventy - n - d - r - i - a - m - a - n - i - t - r - a, ao anatin’ny Baiboly. Hamarino izany, na iza na iza. Ny teny, tamin’ny voalohany, izay voalaza, dia: «Elohim». «Tamin’ny voalohany, Elohim». Hitanareo? «Ary Elohim, ary iaraha-manaiky, fa ny zava-miafin’ny Elohim dia lehibe; eny fa, Elohim dia tonga nofo, ary nahatsapa Azy isika.» Elohim, voasarona tao anatin’ny nofon’olombelona iray! Ilay Jehovah Lehibe izay nanerana ny toerana rehetra, ny fotoana, sy ny rehetra, tonga Olona Izy. Nahatsapa Azy isika, Elohim. «Tamin’ny Voalohany, Elohim. Ary Elohim dia tonga nofo, nonina tamintsika Izy».

----
Iza àry io Olona lehibe izay tsy hita io? Iza àry Ilay hitan’i Abrahama tao anatin’ireo fahitana? Kanefa, tamin’ny fotoana farany, niseho tamin’ny alalan’ny nofo Izy, talohan’ny fihavian’Ilay Zanaka. Andriamanitra Izy Tenany mihitsy no tonga teo amin’i Abrahama tamin’ny endrika olona, tamin’ny fotoana farany. Voaseho! Indray mandeha, nahita Azy izy tao anatin’ny Fahazavana kely, nahita Azy tao anatin’ireo fahitana; naheno ny Feony, ireo fanambarana betsaka. Kanefa talohakelin’ilay zanaka nampanantenaina, nahita Azy tamin’ny endrika olona izy, ary niresaka Taminy, ary nanome hena Azy sy nanome Azy zavatra hosotroina. Hitanareo? Marihonareo, Andriamanitra Izy Tenany mihitsy voasarona tao anatin’ny nofon’olombelona.

Izany dia mbola ampahany amin’ny Fomba Fanaony. Izany fomba izany koa no Hisehoany amintsika, ny Hanehoany ny Teny mandrakizay, Andriamanitra, Jehovah tonga nofo. Tahaka ny ao amin’ny Jaona 1: “Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny teny tao amin’Andriamanitra, ary ny... Tamin’ny voalohany Elohim, ary Elohim dia... dia tonga Teny, ary ny Teny dia Elohim. Ary ny Teny dia tonga Elohim”. Hitanareo? Zavatra mitovy ihany, fa voaseho, tsotra fotsiny.

Izany dia tahaka ny toetra anaty, hitanareo, efa tao amin’Andriamanitra izany. Ny toetra anaty, dia ny eritreritrareo. Andriamanitra, tamin’ny voalohany, Ilay Mandrakizay, mbola tsy Andriamanitra akory Izy tamin’izany. Fa Mandrakizay Izy. Mbola tsy Andriamanitra akory Izy tamin’izany; Andriamanitra, dia zavatra tompoina, na zavatra tahaka izany. Hitanareo? Noho izany, mbola tsy izany akory Izy tamin’izany. Elohim Izy tamin’izany, Ilay Mandrakizay. Kanefa tao Aminy, nisy ireo eritreritra izay Tiany ho tonga zavatra ka azo tsapain-tànana. Ary Inona no Nataony? Ary nanonona Teny Izy, ary ny Teny dia tonga zavatra azo tsapain-tànana. Maneho ny solaitra-be rehetra izany, tao amin’ny Genesisy ka hatramin’ny Apokalipsy. Tsy misy zavatra mipika. Fa Elohim no tonga zavatra azo tsapain-tànana, mba ho afaka ny ho voakasika, ny hitondra ny fahalemen’ny sasany. Ary ao amin’ny Fanjakana arivo taona, misy Elohim, mipetraka eo ambonin’ny Seza Fiandrianana, hitanareo, marina izany, miaraka amin’ireo izay an’Azy manodidina Azy, izay efa Nofidiany talohan’ny nanorenana izao tontolo izao.

----
Marihonareo, nandritra ireo taona, tamin’ny fomba mitovy, dia tamin’ny alalan’ireo Mpaminaniny ireo no Nisehoany. Raha ny tena marina, tsy tena hoe mpaminany loatra ireo, fa izy ireo dia andriamanitra. Izany no Nolazainy. Eny marina, fa ny zavatra izay notononin’izy ireo, dia Tenin’Andriamanitra. Izy ireo dia nofo izay nisikinan’Andriamanitra. Izy ireo dia andriamanitra. Jesosy Tenany mihitsy no nilaza, hoy Izy hoe: “Ahoana no ahafahanareo manameloka Ahy raha milaza Aho fa Izaho no Zanak’Andriamanitra, nefa ny lalànareo milaza fa ireo izay nahatongavan’ny tenin’Andriamanitra no natao hoe andriamanitra”. Hitanareo?

Noho izany, Andriamanitra ihany, no naka Endrika tao anatin’ny olona atao hoe mpaminany. Hitanareo? Ary ny Tenin’ny Tompo dia tonga tamin’io olona io, noho izany dia tsy io mpaminany io, ny mpaminany dia fisaronana, fa ny Teny dia Andriamanitra. Ny tenin’io lehilahy io dia tsy ahavita an’izany asa izany. Azonareo ve ny zavatra tiako ho lazaina? Tsy afaka manao asa toy izany ny teniny. Kanefa amin’ireo fotoana sasany ireo, Andriamanitra izany. Hitanareo, Izy no Tenin’Andriamanitra, naka endrika olona, natsoina hoe “olona”.

Marihonareo, tsy nanova amin’ny toetrany mihitsy Izy, fa endrika fotsiny. Hebreo 13.8 milaza fa «Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.» Noho izany, raha tonga Izy, dia tsy mba nanova ny toetrany. Mbola io Mpaminany io ihany Izy, tamin’ireo taona nifandimby, zavatra mitovy: ny Teny, ny Teny, ny Teny, ny Teny. Hitanareo? Tsy afaka manova ny toetrany Izy, nefa niova endrika. Hebreo 13.8 “Izy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay”. Nanova saron-tava fotsiny Izy.

----
Andriamanitra, voasarona tao amin’i Jesosy, mba hanatanteraka ny asa fanavotana eo amin’ny hazo fijaliana. Andriamanitra tsy mety maty, amin’ny maha-Fanahy Azy. Izy dia Mandrakizay. Kanefa tsy maintsy manao sarontava Izy ary naka ny andraikitry ny fahafatesana. Ka dia tena maty mihitsy Izy, kanefa tsy afaka ny nanao an’izany Izy amin’ny Endriny Andriamanitra. Tsy maintsy nanao an’izany Izy tamin’ny Endriny Zanaka, amin’ny maha- Zanak’Olona, tety ambonin’ny tàny. Hitanareo? Tsy maintsy tonga tamin’ny Endriny maha-Zanaka Azy Izy. Avy eo, raha niverina Izy, tamin’ny Pantekosta, dia tonga indray tamin’ny maha-Zanak’Andriamanitra Azy. Azonareo ve ny zavatra izay tiako lazaina? Voarainareo? Izy dia...

----
Voasarona tao anatin’ny olona Izy, satria voasarona foana Izy hatramin’izay. Fa voasarona Izy teo anatrehan’ireo, tao anatin’ny Tempoliny olona. Andriamanitra dia tao anatin’ny Tempoly olona. Ankehitriny, tandremonareo tsara: nefa, Izy dia tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. Hitanareo? Andriamanitra voasarona, miafina amin’izao tontolo izao, voasarona tao anatin’ny olombelona. Hitanareo? Teto, no nisy an’Ilay Andriamanitra! Ireo grika ireo dia nilaza: “Te-hahita Azy izahay”.

Ary Jesosy nilaza: “Ny voam-bary dia tsy maintsy latsaka ary maty.” Tsy maintsy maty amin’ny hevitrareo rehetra hianareo. Tsy maintsy arinareo ireo fisainanareo manokana. Tahaka an’ireo mpianatra, tsy afaka ny hanazava ny amin’ny fihinanana ny Nofony ireo ary-ary ny amin’ny fisotrona ny Ràny, kanefa, hitanareo, maty tanteraka izy ireo tamin’izany zavatra izany. Maty izy ireo, ho amin’ny Tanjona iray, maty izy ireo, ho an’i Kristy. N’inona n’inona nanjo, na dia tahaka ny azo antoka ny Fahareseny, mbola nino Azy foana izy ireo, na izany aza. Hitanareo? Izy ireo dia afaka ny nahita ny zavatra izay tao anatin’io Olona: Olona iray izay nihinana, nisotro, nanjono, natory, sy ny sisa, izay teraka tety ambonin’ny tàny, ary izay niara-nandeha tamin’ireo, niresaka tamin’ireo, nitondra ireo fitafiana tahaka ireo hafa, nefa Andriamanitra io.

----
Tao amin’ny Testamenta Taloha, niafina Andriamanitra, -raha teo ambonin’ny Alitarany Izy, teo ambonin’ny alitara, -tamin’ny alalan’ny sikina. Tao amin’ny Testamenta Taloha, Andriamanitra dia tao amin’ny Tempoliny. Kanefa, ireo olona dia niditra sy nidera tahak’izao, kanefa, tsarovinareo, nisy fisikinana tamin’izany (Amena) izay nanafina an’Andriamanitra. Fantatr’izy ireo fa tao Andriamanitra. Tsy afaka nahita Azy ireo. Io Andry Afo io dia tsy niseho intsony teo. Tsikaritrareo ve izany? Na indray mandeha aza, ao anaty Soratra, nanomboka tamin’ny fotoana izay nidiran’Io Andry Afo io tao ambadik’ilay fisaronana, dia tsy niseho intsony Izany, mandra-pahatongan’Izany indray tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Andriamanitra dia voasarona!

Tao ambadiky ny fisaronana Izy. Nefa, tao ambadiky ny Inona Izy? Fisaronana hoditra iray. Hitanareo? “Ireo hodi-biby”, tao ambadiky ny fisaronana. Ary rehefa rovitra ilay sikina, tamin’ny andro nanombohana Azy, fa ny sikina izay nanarona Azy dia rovitra, tamin’ny andro nanombohana Azy, ka dia azon’ny olona rehetra jerena ny alitara teo. 109 Nefa, ny jiosy dia tsy afaky ny hahazo fa hoe Andriamanitra dia afaka mamindra fo amin’olona mpanota sy tsy misy dikany tahaka antsika. Kanefa tsy afaka nahita an’Ilay namindra fo ireo, satria niafina Izy. Teo ambadiky ny alitara Izy, tao anatiny, niaraka tamin’ireo hody biby mihantona izay nanarona Azy. Taloha...

Taloha, raha misy olona, na iza na iza, miditra ao ambadik’io fisaronana io, tonga dia fahafatesana izany. Amena. Ô, hamoaka lesona isika ny amin’izany, afaka fotoana fohy, hitanareo, raha afaka-afaka hianareo hahalala ny amin’Izany. Ny fidirana ao ambadik’ireo hoditra... Na ny iray tamin’ny zanaky ny mpisorona aza mba nanandrana ny nanao izany, indray nandeha, dia maty. “Aza mandeha ao ambadik’Ilay fisaronana hianareo.” Ny olon izay miditra tao ambadika... Nahoana? Mbola tsy nisy fanavotana teo. Teo ihany izany fa tsy tamin’ny endriny tanteraka. Fa zavatra mbola tsy ilay tena izy izany. Ary ny zavatra rehetra izay tsy tenan-javatra fa mandalo, dia mbola tsy ilay zavatra tena marina, hitanareo, izany dia mbola karazana tandindona fotsiny. Fanavotana izany... Norakofana ny fahotana, tsy hoe manaisotra... Navela, ny marimarina kokoa, tsy hoe navela. Navela, izany dia “nofoanana ary natao tsy hita”. Ary, noho izany, ny ràn’ireo zanak’ondry sy ireo zanak’osy dia tsy afaka ny nanao an’izany, noho izany Jehovah dia niafina tao ambadikin’ny sikina iray. Nefa, tao ambadik’io fisaronana io, teo, izay toerana niafenany, ny fidirana tao anaty, dia lavo maty izany olona izany, ny manandrana miditra tao.

Kanefa, hatramin’ny Pantekosta, hatramin’ny nanombohana Azy, rehefa rovitra nanomboka teny ambony ka hatrany ambany ilay sarona, ho an’ity taranaka ity... Jesosy io Andriamanitra io, voasarona. Ary, rehefa maty teo Kalvary Izy, Andriamanitra dia nandefa afo sy tsela-baratra, ary nandrovitra an’ilay efitra lamba Izy nanomboka teny ambony ka hatrany ambany, mba hahatonga ny alitara ho voaseho ka azo jeren’ny olona rehetra. Kanefa izy ireo dia jamba loatra tamin’ny fahitana ny maha-Izy Azy. Tahak’izay efa nolazain’i Mosesy eto, na dia, na... Paoly no nilaza azy, raha namaky an’i Mosesy: “Raha vakina ny tenin’ny Mosesy, ambaraka androany, misy fisalobonana manarona ny fony.” Ô, ry Rahalahy, ry Ranabavy, izay no nataon’ireo Jiosy ireo, rehefa rovitra Ilay efitra lamba ary Andriamanitra dia voaseho azo jeren’ny olona rehetra, niantona teo amin’ny hazo fijaliana. Nabaribary teo imason’ny rehetra, kanefa ireo tsy afaka nahita ny maha-Izy Azy.

----
Ilay Andriamanitra voaseho, nabaribary eo imason’ny rehetra, tokony nahita Azy izy ireo, raha teo Izy. Kanefa tsotra loatra Izy, olona tahak’ireo hafa tsinona. Tsy afaka nahita an’Ilay Teo Aminy izy ireo. Hitanareo, teo nisy olona iray. “Eh eny”, hoy ireo, «io lehilahy io, sekoly taiza no nivoahany?» Kanefa, tadidionareo, rehefa tafiditra tao amin’ny Vatany ilay lefona, raha niala Taminy ny Fanahy, ny tempoly... ny toerana izay fanaovan’ny mpisorona fisoronana dia rava, ary ny tsela-baratra dia nikapoka tahaky ny karavasy teo amin’ny tempoly ary nandrovitra ny efitra lamba. Inona àry izany? Teo ilay Andriamaniny, niantona, teo kalvary, ary izy ireo dia jamba loatra ka tsy nahita Azy. Nabaribary mba ho jeren’ny rehetra Izy, ary teo indray, mbola tsy nahita ny maha-Izy Azy ireo! Nohajambaina izy ireo. Andriamanitra, voasarona tao anatin’ny olombelona!

Vakio ny tantara manontolo ao amin'ny...
Andriamanitra voaseho.


Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.

  Hoy ny Soratra Masina ...

Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina ny amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, dia Ilay naseho teo amin'ny nofo, nohamarinina tao amin'ny Fanahy; hitan'ny anjely, notorina tany amin'ny jentilisa, ninoana teny amin'izao tontolo izao, nakarina tamin*'ny voninahitra. [* Na: ho any amin']

1 Timoty 3:16


Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Ny Asan’Ilay Mpaminany.
(PDF's)

Toko 11
- Ny Rahona

(PDF)
 

William Branham Life
Story.

(PDF Anglisy)

How the Angel came
to me.
(PDF Anglisy)



Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.